Sambany hanafana ny «Star Tour» ny tarika Rossy… Anisan’ireo nanomboka ny «THB Tour» taloha kosa anefa, ary mbola mitoetra ankehitriny ny lazan’ilay hira «THB» nataon’i Rossy hatramin’izao. Anisan’ny vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny nahafantarana fa iray amin’ireo mpanakanto hanafana ny «Star Tour 2026» eto Antananarivo, etsy amin’ny Coliseum ny tarika Rossy. Ny sabotsy 20 jona no anjaran’izy ireo, aorian’ny fandraisan’anjaran’i Mad Max. Ny zoma 19 jona anefa no hanomboka ny hetsika, ka i LJo sy Lion Hill no hisantatra ny andiam-pampisehoana. Hamarana izany kosa i Naël sy Stephanie ny alahady 21 jona, izay sady hanamarihana ny «Fetin’ny mozika» rahateo.
«Teboka telo lehibe no tena maha saro-piaro anay: ny fandriampahalemana mandritra ny hetsika, ny kalitaon’ny tolotra rehetra ary ny filaminan’ny mpanjifa. Fetim-pianakaviana mihitsy ny Star tour, ary porofon’izany ny fisian’ny toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy», hoy ny fanazavana nomen’i Miasy Andriamoria, tomponandraikitra ao amin’ny Star.
Tsy misy miova kosa ny nahafantarana ny «Star tour» hatramin’izay. Ankoatra ny andiam-pampisehoana goavana, eo ireo lalao sy fanentanana isan-karazany, ifandimbiasan-dry Fou Hehy, Bahrone ary Teg. Eo koa ireo mpikosoka kapila toa an’i 3T, DJ Looping ary i Cyemci. Hisy hatrany ny «Espace pression» izay amina toerana roa amin’ity.
Zo ny Aina




