Nitondra fanazavana nanoloana ny solombavambahoaka, teny Tsimbazaza, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny alatsinainy teo. Nifantohana ny Tetibola nasiam-panitsiana « LFR 2026 ».
Nihena ho 3,8% ny fitomboan’ny Harinkarena faobe raha toa ka 4,8% no novinavinaina tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana “LFI 2026”. Nahatonga izany ny fisian’ireo rivodoza mahery vaika nisesy teto amintsika. Teo koa ny krizy iraisam-pirenena, toy ny ady teo amin’Iran, Etazonia ary Israely. Nambaran’ny minisitra fa hoezahina ny hitazona ny fampidiram-bola anatiny, efa voalaza tao anatin’ny “LFI 2026”, izay mitentina 6 221,7 miliara Ar ho an’ny “LFR 2026”.
Manampy ireo ny fanampiana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola vahiny, toy ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), sns, hiatrehana izao fanaingana ara-toekarena izao. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE-R) ny paikady hanatanterahana ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana.
Lalantsaina fito
Mifototra amin’ny lalan-tsaina miisa 7 ny LFR 2026. Voalohany, ny fanohizana ny fanetsehana ny vola miditra, amin’ny alalan’ny hetra anatiny. Faharoa, ny fanatsarana ny fitantanana ireo mpandoa hetra, mba hametrahana ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny fandraharahana sy ireo orinasa tsy miankina. Manaraka izany, ny fiarovana ny vola miditra amin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny paikady mifanaraka amin’ny lalàna. Eo koa ny fandanjalanjana ny fandaniana ara-ketra, ka hanafoanana ireo fepetra sasany tsy miantraika amin’ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Ny fanamafisana ny ady atao amin’ny hosoka ara-ketra sy ny fanohizana ny paikady hampiasana ny teknolojia niomerika sy ny fitantanana mangarahara. Fahafito farany, ny fanaraha-maso akaiky ireo trosa ara-ketra tsy mbola voaloan’ny tokony hanatanteraka izany.
Njaka Andriantefiarinesy




