RCBE: Fitaovana hiadina amin’ny hosoka ara-ketra

Tombanana ho 640 miliara Ar na 160 tapitrisa dolara ny vola very isan-taona eto Madagasikara noho ny hosoka ara-ketra, manome 5% ny harinkarena faobe (PIB), raha ny nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Hery. Nambarany fa tsy voatery hampiakatra ny tahan’ny hetra aloa ny fanjakana raha mandeha araka ny tokony ho izy ny fandoavan-ketra. Nam­pahafantarana omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny Rejisitra foibe an’ireo mpisitraka tena izy, “Registre central des bénéficiaires effectifs” (RCBE). Rafitra hanamafisana ny mangarahara ara-toekarena sy ara-bola ary hampiroborobo ny hitsiny amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra. Toy, ny sehatra elektronika, mitahiry ireo fanambarana momba ireo mpisitraka tena izy (bénéficiaires effectifs) ny RCBE, ara-dalàna, indrindra ny mpandraharaha tsy miankina. Ahitana ny orinasa ara-barotra, fikambanana sivily, kaoperativa, vondrona tombontsoa ara-toekarena (GIE), fikambanana, ONG, sns. Tsy voakasik’izany ny orinasa tsotra sy ireo orinasam-panjakana raha toa ka 100% ny renivola ananan’ny fanjakana no ao aminy.

Fampahafantarana
“Maimaimpoana ny fanambarana ara-ketra amin’ny RCBE”, hoy ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Am-perinasa, nanomboka omaly, ny rafitra. Nanentana ireo mpisehatra rehetra hanefa ny adidiny ara-potoana ny Tale jeneralin’ny hetra (DGI), Ra­faralahy Edmond, amin’ny fanambarana ny mpisitraka tena izy.

Henintsoa

Partager sur: