Fitoriana an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Lova Sakaiza

Mitory an-kira, milalao gadona maroloko. Mirona kokoa amin’ny fivoizana ny gadona mihetsika toy ny pop rock, reggae, sns ny tarika Lova Sakaiza. Mahafehy ny bankira hafa toy ny bagasy, slow, sns ihany koa anefa. Ny volana febroary teo. Namoaka ny rindrantsary “Saintsaino” amin’ny endrika “USB” ny tarika. Nahatratra 17 ny isan’ny sanganasa voarakitra tao (mp3 sy mp4).

Manohy ny lalany ity tarika ity, raha ny fanazavan’i Lova. Vinan’asan’izy ireo ho amin’ny volana aogositra izao ny fa­natanterahana fitetezam-paritra any Ambatondrazaka sy Feno­arivo Atsinanana. «Ireo tanàna roa ireo izay tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny tarika Lova Sakaiza noho izy tany nahabe», hoy hatrany i Lova.

Tsy mijanona eo akory fa mbola maro ny hetsika hotanterahin’ity tarika ity, satria, «azo lazaina fa manana fom­ba fiasa matihanina ny tarika amin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika ary ny sehatry ny famoronana ireo soradihy. Tombony ho an’ny tarika ny fananana fanamafisam-peo, zavamaneno, milina mpihary herinaratra, sns. Manamora kokoa ny fomba fanatanterahana ireo asa fitoriana ny fisian’izy ireny», hoy hatrany izy.
Fitantarana ny fijalian’i Jesosy Kristy sy ny fiantsoana ny zanakolombelona hiverina aminy. Ny fampintana ireo no imasoan’ny tarika Lova Sakaiza.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: