Malagasy mpamatsy vola ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. 30 taona niaraha-niasa mivantana amin’ny mponina, ho fiarovana ny tontolo mananaina eto Madagasikara.
Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva. Fikambanana malagasy mamatsy vola ny tetikasa volavolaina sy aroson’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nosantarina, omaly, teto Antananarivo, ny fankalazana ny faha-30 taonany, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), Andriatsihala Luck Aristide. Natrehin’ny masoivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Tany Meva, Andriamamonjiarison Noro, ny tale mpanatanteraka (DE) ny Tany Meva, Rasoanarivo Hariliva ary olo-manakaja maro izany.
Maro ny zava-bita, nandritra izay 30 taona izay. Maherin’ny 20 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tany Meva ho an’ny tetikasa manodidina ny 1 850. Maherin’ny 415 000 ny tokantrano nisitraka ny tohana. Maherin’ ny 1 tapitrisa ha ny faritra an-tanety voaaro, raha 200 000 ha ny faridranomasina. Mahatratra 20 000 ha ny ala nafindra fitantanana (TGRN) tamin’ ny vondrom-piarahamonina, ary maherin’ny 10 000 ha ny velaran-tany nambolen-kazo.
Fifanarahana vaovao
Maherin’ny 17 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azony avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, toy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny Hemsley Trust Found sy ny hafa. Nilaza ny DE, Rasoanarivo Hariliva, fa matotra ny fiaraha-miasa amin’ny vondrom-piarahamonina, ny mpiara-miombon’antoka, izay samy manantena fa azo atao tsara sy azo antenaina ny hamerenana an’i Madagasikara ho maitso. Ho tohizana ny ezaka natao, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tsindry manapotika ny harena voajanahary eto Madagasikara.
Anisan’ny nampiavaka ny fotoana, omaly, koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin’ny Tahirimbola frantsay ho an’ny tontolo iainana maneran-tany. Mifantoka amin’ny fanarenana ny ala honko any amin’ny faritra Boeny izany. Eo koa ny fitantanana ny vola avy amin’ny tsena karbôna ho an’ny Redd+, iarahana amin’ny minisitera MEDD.
Njaka Andriantefiarinesy




