30% amin’ireo milina indostrialy “One District One Factory” (Odof) napetraka manerana ny Nosy ihany no mihodina. Tsy feno ireo milina, ao ireo manana olana ara-pitantanana. Misy ihany koa ireo napetraka amin’ny toerana tsy mifanaraka amin’ny asam-pamokarana sahaza azy. Ankehitriny, mametraka paikady sy politika vaovao entina hanarenana izany ny fanjakana.
Misehatra amin’ny tolotra sy ny lamba ny ankamaroan’ny orinasa miforona sy misoratra eny amin’ny EDBM amin’izao. Maro ireo mbola misehatra amin’ny tsy ara-dalàna izay sakana amin’ny fivelarany sy fampiroboroboana ny sehatrasany ka mampihisatra ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa vaindohandraharaham-panjakana ny hampiroborobo ny fandraharahana izay mandray anjara betsaka amin’ny fampivoarana ny harinkarena faobe.
Hotanterahina ny 22 sy 23 jona, eny Alarobia, ny “Symposium de la Cybersécurité”. Hetsika natao hanamafisana ny fahalalana sy ny fiaraha-miasa hiatrehana ireo fandrahonana niomerika samihafa. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe “manavao ny anio mba hiantohana ny fiarovana ny ampitso”. Hifanakalo hevitra mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika ireo manam-pahaizana, ny solotenam-panjakana, ny orinasa ary ireo tanora mpisehatra amin’ny niomerika.




