Fikasihan-tanana vadintany : Hatolotra ny fitsarana ilay nahavanon-doza

Tsotra fa hentitra ny tenin’ny filoha nasionalin’ny Holafitry ny vadintany eto Madagasikara, ny maître Rarivoarivony Andriatafa­niaina, fantatry ny maro amin’ny solonan’anarana “Maître Tafa” nandritra ny fambolen-kazo tetsy amin’ny tokontany malalaky ny Lycée Jacques Rabemananjara, ny talata 16 jona lasa teo. Fotoana nanamarihana ny faha-19 taonan’ny vadintany maneran-tany ihany koa. “Raha ny sitraponay dia tsy tokony hisy olona esorina amin’ny taniny sy ny tranony izany fa ny didim-pitsarana no maniraka anay ha­natanteraka ireny asanay ireny. Misy ady ifanaovan’ny mpifanandrina eo anivon’ny fitsarana, misy mandresy, misy resy. Tsy izahay no mahatonga an’izany fa ny mpitsara mpamoaka didy. Ny tsy fanatanterahanay izay iraka avy amin’ny fitsarana izay dia heloka ho anay”, hoy ny Maître Tafa. Nohamafisiny ihany koa fa fandikan-dalàna ny fanoherana ny fanatanterahan’ny vadintany ny asany. “Taratasy avy amin’ny fitsarana no entinay manao ny asa. Taratasy avy any ihany koa no afaka mampiato na manatsahatra an’izany. Tsy ekena ny fikasihan-tanana, fametavetana manao teny ratsy, mitora-bato, manompa vadintany manao ny asany”, hoy izy. Efa mihoatra ny loha ny fihetsika nataon’ilay ramatoa nikasi-tanana vadintany ka tsy azo andeferana intsony izany. Ha­tolotra ny fitsarana izy. Ankila­ny, zana-kazo miisa 100 no­vo­len’izy ireo mba ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany. Nane­hoana ihany koa ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka ary ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny totolo iainana.

Sajo

Partager sur: