Africa Energy Forum (AEF) 2026 : Manamafy ny fiaraha-miasa stratejika ny CGHV

Laharam-pahamehan’ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV) ny dinika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny angovo sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ho an’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ny tetikasa.

Nandray anjara tamin’ny Africa Energy Forum (AEF) 2026, natao tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CG­HV). Fihaonambe eo amin’ny sehatry ny angovo aty Afrika izay mampivondrona ireo mpisehatra isan-tsokajiny ity atao ity. Nodinihina manokana ny hoavin’ny angovo aty amin’ny kaontinanta.
Araka izany, lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe « Building Africa’s Industria­lised Future» izay nifantoka tamin’ny famatsiam-bola ny fotodrafitrasa, ny fiantohana ny famatsiana angovo, ny fampifandraisana ara-toekarena isam-paritra ary ny anjara toeran’ny angovo amin’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika. Zava-dehibe ho an’ny CGHV ny fihaonambe noho izy mifandray mivantana amin’­ny fampandrosoana ny tetikasa. Nahafahana ihany koa nanamafy ny dinika fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Fotoana iray nifampizarana traikefa amin’ireo mpisehatra momba ny famokarana angovo eto Afrika mba hanatsarana hatrany ny fahaiza-manaony’ny tetikasa ny AEF.

Songadina
Laharam-pahamehan’ny CGHV nandritra ny AEF ny fanohizana ny dinika tamin’­ ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Nison­gadina tao anatin’izany ny fampahafantarana ny Poli­tikam-panjakana ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo. Hametrahana ihany koa ny Volobe Amont ho anisan’ireo tetikasa goavana sy miantoka ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Ankoatra izay, nivoitra tao anatin’ny dinika niarahan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo solontenan’ny CGHV ny hanohizana ireo ezaka efa vitan’ny tetikasa sy ireo drafitrasa hanatanterahina azy.

Henintsoa

Partager sur: