Seranam-piaramanidina Ivato : Haranty ny vokatra « Malagasy ny antsika »

Notokanana omaly, ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, Antananarivo, ny toerana manokana ahitana ireo vokatra manana ny mari-pamantarana label « Malagasy ny antsika ». Tompon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), miaraka amin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny sera­nan’Ivato. Nambaran’ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, fa mandalo ny mpandeha, fa ny mpandraharaha tsy miankina eto foana. Mivoatra be ny kalitaon’ny vokatra vita malagasy, hatramin’ny fonosan’entana (packaging) aza, efa afaka mifaninana amin’ny any ivelany. Tsapa, ankehitriny, fa efa tonga any amin’ny Mala­gasy mpanjifa ny vokatra vita eto an-toerana. Nomarihiny, ihany koa, fa tsy ny mpamokatra indostrialy irery intsony no mpikambana ao anatin’ny Sim fa eo koa ireo mpisehatra miara-miasa sy miombon’antoka aminy. Toy ny Ravinala Airports, misehatra amin’ny fitantanana seranam-piaramanidina. Eo koa ny trano fiantohana Aro, sy ny hafa.

Kalitao sy fenitra
Nambaran’ny talen’ny Fa­na­tanterahana ny asa ao amin’­ny Ravinala Airports fa taratr’i Madagasikara ny eny Ivato, ahitan’ireo mpandeha, tonga na hiondrana, ny vokatra vita malagasy. Nentanin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny Malagasy mpandraharaha hiditra ao anatin’ny Sim, fa anisan’ny tombontsoa ny fametrahana ny fenitra. Ho an’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, mila hajaina ny kalitao sy ny fenitra, raha tiana hisongadina ny vokatra vita malagasy.

Njaka A.

Partager sur: