Tafaraka ireo tarika andrarezin’ny mozika rock. Ho fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny Garage Mozika. Ho an’ny firaisankinan’ny rock eto amin’ny tanàna. Hisy ny fampisehoana lehibe nampitondraina ny anarana « Garage Mozika Ultimate show » hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina (Parvis 1), ny alahady 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Hanafana ny sehatra ny tarika Iraimbilanja, Mage 4 ary Rheg The Gang. Anisan’ny nisafidianana azy ireo ny traikefa ananany, satria, efa nandia ny 20 taona mahery avokoa izy ireo, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny RN Event izay anisan’ny mikarakara ny hetsika. Hiditra voalohany ny tarika Iraimbilanja. Arahin’ny Rheg The Gang. Tohizan’ny tarika Mage 4 avy eo. Hisy ny fampiaraham-peo eo amin’ireo tarika telo ireo. Hisy ihany koa ny hiran’ny Rheg The Gang hohirain’ny tarika Mage 4. Ny hiran’ny Tarika Iraimbilanja hohirain’ny Rheg The Gang, sns.
Nambaran’ny mpikarakara fa andiany voalohany ity seho lehibe ity fa mbola hisy ny ho tohiny. Tsy voatery ho rock ihany fa hifandimby ny karazan-gadona samihafa. Raha tsy tratra amin’ity taona ity. Amin’ny taona 2027, hahazo ny anjarany ny any amin’ny faritany.
HaRy Razafindrakoto




