Fampandrosoana : Famatsiam-bola 57 tapitrisa euros avy amin’i Frantsa

Fanaovan-tsonia telo so­sona no nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny talen’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), omaly. Famatsiam-bola mitotaly 57 tapitrisa euros, mitsinjara sehatra telo. Voalohany, fanampiana ny tetibola mitentina 4 tapitrisa euros, ho an’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, ny fiarovana ara-tsakafo, tantsoroka ho an’ny Institut Pasteur, ny fisakafoana an-tsekoly ary ho an’ny BNGRC, hiatrehana ny loza voajana­hary.
Manaraka izany, mitentina 22 tapitrisa euros, ao anatin’ny Tetikasa tantsoroka ho an’ny fitsarana, andiany faharoa (Pajma 2). Vola ampindramina ny 15 tapitrisa euros, ary fanampiana ny 7 tapitrisa euros. Entina hanavaozana ny rafi-pitsarana, ny fametrahana ny niomerika eny amin’ny fi­tsarana sy ny fitantanana ny fonja izy io. Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara, ny mpiraki-draharaha ary ny mpiandry fonja. Eo koa ny hananganana ny sekoly vaovao ho an’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha, hampitomboana ny isan’izy ireo.

Mamaly ny laharam-pahamehana
Farany, vola mitentina 31 tapitrisa euros, hanohizana ny tetikasa Lalankely IV. Voa­kasik’izany ny kaominina miisa 17 manodidina ny Reni­vohitra sy boriborintany miisa 4 eto Antananarivo Renivo­hitra. «Mamaly ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ireo fifanarahana ireo», hoy ny minisitry ny Toeka­rena. «Taratry ny fanohizan’i Frantsa ny tohana ho an’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny rehetra eto Madagasi­kara izao atao izao», hoy kosa ny talen’ny AFD.

Njaka A.

Partager sur: