VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 160 taona ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ankehitriny. Fifandraisana maharitra niteraka tombontsoa mivantana ara-toekarena ho antsika. Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny tsena amerikanina ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahazo tombontsoa manokana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireo vokatra fanondrana toy ny lamba, ny asa tanana, lavanila ary vokatra indostrialy.

Hamafisina ny paikady amin’ny fampiasana ireo vola vatsian’ny Banky iraisam-pirenena nandritra ny tombana natao. Voakasika ao anatin’izany ny tetikasa lehibe toy ny Mionjo, PSFR, PIC3, Prodigy-Decim sy ireo tetikasa hafa mifandraika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Tanjona ny hanatsarana maharitra ny fahombiazan’ny asa atao, ny hanafainganana ny fanatanterahana ary hanomezana vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny rehetra.

Nahatratra 46 814 ny isan’ny trondro teo anelanelan’ny taona 2018-2023. Miisa 78 ireo mpanangon-drakitra avy amin’ny fiarahamonina, vehivavy avokoa ny 80% amin’izany. Miisa 7 ireo karazana hazandranomasina be mpanjono, raha miisa 150 kosa ireo karazana trondro voamarina tao anatin’ireo santionany nodinihina. Marihina fa manampy amin’ny fitantanana mahomby ny jono ny fiarovana ny harena an-dranomasina.

Partager sur: