Eo ho eo ny vokatra azon’ireo ekipa afrikanina miisa 10 miatrika ny “Mondial 2026”. Ireo firenena efa kalaza no mihitsoka nandritra ny andro voalohany. Kely fa manahirana ireo “Goliata” eoropeanina kosa ry zalahy vao sambany miatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity.
Sady tsy ratsy no tsy tsara ny vokatra azon’ireo ekipa afrikanina any Canada sy i Mexique ary Etats-Unis eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra. Hatreto, tsy misy afa-tsy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Kintana maintin’i Ghana no hany nahazo fandresena, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Ekipa efatra, nanao ady sahala dia ny Lions de l’Atlas, Maroc; ny Faraonan’i Egypte; ny Leopards RD Congo ary ny Les Requins Bleus, Cap-Vert. Faharesena kosa ny an’i Tunisie sy Algerie, Sénégal ary ny Bafana Bafana an’i Afrika Atsimo. Saingy ity farany, teo amin’ny andro faharoa notanterahina ny alakamisy lasa teo vao nahavita sahala.
Hatreto, tsy mbola misy mihintsana ireo solontena afrikanina ireo. Hiankina betsaka amin’ny andro faharoa avokoa vao ho fantatra ny ho tohin’ny dian’ny tsirairay. Na izany aza, tsara toerana ireo nanao ady sahala sy nahazo fandresena ary ambony ny herijikany.
Mandra-piandry izany, firenena voalohany tafita amin’ny ampaheninambinifolon-dalana i Mexique, ho an’ny vondrona “A”, rehefa nandresy an’i Corée Atsimo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny alakamisy lasa teo, tao Guadalajara.
Raha ny antontanisa, ekipa tsara filalao ny afrikanina. Mbola ny mpilalaon-dry zareo Bafana Bafana ihany no hany nahazo karatra mavo sy mena.
Tompondaka




