Efa vita godirao tanteraka ny ampahan-dalana RN12A, miainga eo Taolagnaro hatrany Ebakika, mirefy 45 km. Kasaina ho vita tanteraka ny ambiny hatrany Vangaindrano. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny volana avrily 2028 ity lalana ity.
Mitotaly 232 km ny lalam-pirenena RN12A, miainga eo Taolagnaro hatrany Vangaindrano, ahitana fiampitana baka miisa 12. Eo am-panarenana manontolo ity lalana ity, ka mandeha amin’ny ampahany ny fanatanterahana azy. Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy amin’ireo mpamatsy vola vahiny, ahitana ny Banky Iraisam-pirenena, ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ary ny Tahirimbolan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Ofid).
Vita godirao tanteraka, ankehitriny, ny eo Taolagnaro hatreo Ebakika, mirefy 45 km. Nantanteraka ny asa ny orinasa sinoa, CRCC. Eo am-panatanterahana ny eo Ebakika hatrany Somisika, mirefy 121 km. Efa vita kosa ny eo Somisika hatrany Masianaka, mirefy 35 km.
Ary andalam-panamboarana ny ampahany farany, eo Masianaka mandra-pahatonga any Vangaindrano, mirefy 32 km.
Soloina tetezana « béton » ny baka
Teo Ebakika ny fiampitana baka voalohany, izay efa voasolo tetezana « béton », anisan’ny notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny 13 jona teo. Efa vita « béton » ihany koa ny faharoa, nosoloina tetezana « béton » mirefy 200 metatra any Ambondro. Hisy tetezana mirefy 400 metatra hapetraka any Masianaka. Raha atambatra, miisa 11 ny tetezana apetraka amin’ny RN12A.
Vinavinaina ho vita amin’ny volana avrily 2028 ny asa rehetra. Izany hoe, tsy hitoka-monina intsony ny any Taolagnaro, hifandray amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, eo Vangaindrano hatrany Taolagnaro. Efa vita godirao ny lalana mampifandray an’i Vangaindrano sy Farafangana (RN12). An-dalana ny Taolagnaro, mandalo Ambovombe, mankany Andranovory (RN10), mivoaka eo amin’ny RN7. Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra.
Njaka Andriantefiarinesy




