Efa tafapetraka eto Madagasikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mozika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika marolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina ilay fivelarana eo amin’ny zavakanto amin’ny ankapobeny sy ny mozika manokana izany.
Anisan’ny nanomboka ny fankalazana teto ary manohy izany isan-taona ireo ivontoerana frantsay toy ny IFM Analakely sy ny sampan’ny Alliances françaises rehetra manerana ny Nosy. Nipetraka ilay lalan-tsaina itovian’ny «Fetin’ny mozika» maneran-tany : seho maimaimpoana, hanehoana karazana mozika, mpanakanto efa malaza na tsia fa vonona hizara ny kantony.
Ny sabotsy 20 jona dia efa nanokatra ny fankalazana ny tetsy anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Nampiditra ny seho ireo mpanao «cirque» sy mpanao dihy vakodrazana. Nifandimby avy eo ireo tarika mpihira, toy ny Mbaoe, izay nitondra mozika mifangaro, mety vaovao amin’ny ankamaroan’ireo mpijery kanefa dia voaray tsara. Efa fanta-daza kosa ry Skaiz sy Denise nanohy izany. Efa sady tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena rahateo, ka nitohy omaly ny seho teo Analakely.
Zo ny Aina




