Nanomboka tamin’ny taona 1960 tany ho any no nipetrahan’ny ankamaroan’ireo mponina ao Analamahitsy Cité, nefa mbola maro no tsy nahazo Bokin-tany hatramin’izao. Ho fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny fanamarinana ny zo fitompoana ny tany, dia miezaka ny CUA, izay tompon’ny tany, mifandray akaiky amin’ny mponina mba hamahana ireo sakana mety hisy alohan’ny dingana farany eny amin’ny sampan-draharaha mahefa.
Iray volana ho an’ny ankizy ny volana jona. Lohahevitra ny hoe: “Ndao hiara-hientana hiaro ny ankizy amin’ny herisetra”. Manana zo mitovy ny ankizy rehetra na manana fahasembanana na manana toe-tena varira. Mila sahy mijoro sy mitoroka raha mahita tranga herisetra manjo ny ankizy eny amin’ny fiarahamonina.
Miditra anaty fialantsasatra lehibe ireo ankizy madinika. Ialana amin’ny fifantohana mihoapampana amin’ny “ecran”, ilaina ny ray aman-dreny manokana fotoana iarahana aminy mivoaka, mihenjy eny an-tokotany, mamantatra zavatra vaovao, mitety toerana tsy mbola hitany nefa mety hahasoa azy.




