Nisokatra ny 18 jona teo ny Orange Digital Center (ODC) ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny Orange Madagascar, ny oniversiten’Antsiranana ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres). Hanampy ny tanora sy ny mpianatra hahazo fiofanana amin’ny sehatry ny teknolojia niomerika, hanohanana ny fandraharahana ary ho fitaovana hanatanterahana tetikasa ny ivontoerana. Ity farany izay ahitana ny École du code, FabLab Solidaire, Orange Fab ary Orange Ventures ao anatiny. Maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny ODC. Manofana momba ny fahaiza-manao niomerika izy io, manome fahafahana ihany koa amin’ny famokarana niomerika. Manome ireo toromarika amin’ny fandraharahana ary mamolavola ny toe-tsaina tia mandraharaha ihany koa.
Ankilany, hatramin’ny nisian’ny Orange Digital Center teto Madagasikara, ny taona 2021, tanora maherin’ny 12 000 no efa nahazo tombontsoa tamin’ireo fandaharanasa natolony. Kendrena amin’ny alalan’ity ivontoerana ity ny hampiroborobo ny talentan’ny tanora, hanatanteraka tetikasa, ka hametrahany ny niomerika ho soa fananaraotra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. ” Manamafy ny fanohanana maharitra ny mpianatra sy ny tanora hanatanteraka ny tetikasany ny Orange amin’ny alalan’ny fanitarana ny Orange Digital Center any amin’ny faritra”, hoy ny tale jeneraly, Amata Ndiaye.
Henintsoa




