Anisan’ny lalao andrasan’ny maro, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny lalao hikatrohan’ny Lions de la Teranga, Sénégal sy Norvège ho an’ny vondrona “I”.
Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja New-York/New Jersey, East Rutherford. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fandresena ihany ry zareo sénégalais amin’ity. Raha tsiahivina, tsy mbola manana isa ary farany ny laharana misy azy ireo. Etsy ankilany, laharana voalohany, manana isa 3, ry zareo norvezianina. Naman’ny mody ihany koa ny Lions de la Teranga raha toa ka sendra faharesena. Kely kosa ny herijika raha toa ka manao ady sahala, satria isa iray monja ka hiankina amin’ny andro fahatelo ny ho tohin’ny lalan-dry zareo.
Mandra-piandry izany, nahazendana ny maro ny nitazoman’i Cap-Vert ady sahala, 2 no ho 2, an’i Uruguay, ho an’ny sokajy “H”, omaly. Tsiahivina fa efa voatazon-dry zareo Cap-Verdiens, 0 no ho 0, ihany koa i Espagne. Eo am-pototry ny varavaran’ny ampaha-16-ndalana izany ny Les Requins Bleus, Cap-Vert. Mila mandresy an’i Arabie Saoudite izany izy ireo dia afaka. Ry zareo arabie izay nomontsanin’i Espagne tamin’ny isa 4 no ho 0. Ady sahala samy tsy nisy nitoko kosa ny an’i Bélgique sy Iran, ho an’ny sokajy “G” ary lavon’i Egypte, 3 no ho 1, i Nouvelle-Zélande.
Tompondaka
Fandaharan-dalao anio
Sokajy “I” – (1 ora maraina) – France vs Irak
Sokajy «I» – (3 ora maraina) – Sénégal vs Norvège
Sokajy “J” – (6 ora maraina) – Jordanie vs Algérie
Sokajy «K» – (8 ora alina) – Portugal vs Ouzbekistan
Sokajy «L» – (11 ora alina) – Angleterre vs Ghana




