“Circuit Training”: hahazo vola 2 tapitrisa Ariary ny voalohany

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny 4 jolay ho avy izao, ny fifaninanana ara-batana “Circuit Training à Madagascar”, andiany voalohany.

Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Zaka Rise Mada, tohanan’ny orinasa Yas Madagas­car. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra omaly, teny Andra­haro. Natokana ho an’ireo olona maherin’ny 18 taona, lahy sy vavy, ary tomombana tsara ara-pahasalamany ity lalao ity. Raha ny filazan’izy ireo, ny ora sy minitra no hiasa mandritra ny lalao. “Izay mahavita ireo sokajin-dalao toy ny pompe, squats, corde à sauter, jump box, burpees, sprint, voalohany no mivoaka ho mpandresy, isaky ny dingan’ny fifanintsanana. Tsy misy kosa ny jump box ho an’ny vehivavy”, hoy ny Tompo­nandraikitra ao amin’ny Zaka Rise Mada. Marihina fa ahitana lalao anaty vondrona sy manasa-dalana ary famaranana ny dingana. Hisokatra ny 1 jolay ho avy izao ny fisoratana anarana. Mpandray anjara maherin’ny 200 no andrasana amin’izany. Ampahatsiahivina fa tsy ho diso anjara ihany koa ireo izay mendrika aorian’ny voalohany. Ho tolorana vola 1 tapitrisa Ariary ny faharoa ary 5 hetsy Ariary ny ny fahatelo.

Fitia Randria

Partager sur: