Manodidina ny 5 tapitrisa isam-bolana ny mpanjifan’ny Airtel Madagasikara. Miditra amin’ny dingana vaovao indray, noho izany, ity orinasa tambajotram-pifandraisana ity. Fiantombohan’ny laharana hampiasain’ny Airtel vaovao ny 035, manampy ny 033 namantarana azy hatramin’izay. Nihatra nanomboka ny alatsinainy 22 jona teo io laharana io, manerana an’i Madagasikara.
Mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny 033 ny fiasan’ny 035. Misitraka ny tolotra rehetra, toy ny antso amin’ny finday, ny internet, ny tolotra niomerika isan-karazany, ary koa ny fifanakalozam-bola Airtel Money. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Ramatoa Catherine Tchokonté, fa « taratry ny firoboroboan’ny Airtel ny fisian’ny fiandohan’ny laharana 035 vaovao. Mampiseho fa manohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara izahay, sy ny fampiatiana ara-bola ho an’ny Malagasy. Dingana vaovao no hatao ho an’ny rehetra sady mamaly ny filan’ny mpanjifa »..
Njaka A.




