Nitrangana zavatra tsy mbola fahita hatramin’izay nisiany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Tao anatin’izay andiany 23 izay, tamin’ity vao nisy lalao natsahatra nandritra ny 131 minitra be izao. Tsy fahadisoan’ny mpikarakara fa noho ny hetraketraky ny natiora.
Niato nandritra ny 131 mn na adiny roa sy 11 mn ny lalaon’i France sy Irak, nandritra ny andro faharoa, sokajy “I”. Fihaonana natao tao amin’ny Kianja Philadelphie, ny alatsinainy lasa teo. Nitsahatra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ny fihaonana rehefa nitarika tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny frantsay. Tsy nisy fahadisoan’ny mpikarakara na ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) izany fa avy amin’ny natiora. Nirotsaka izay tsy izy ny orana. Narahina tafiotra sy havandra izany ka tsy azo nilalaovana intsony ny kianja, teo amin’ny fahataperan’ny fizaram-potoana voalohany. Voatery nanala ireo mpijery hamonjy fialofana ireo tomponandraikitra amerikanina. Ireo mpilalao kosa nijanona tao anatin’ny efitrano fisoloana akanjo. Afaka niverina teny ambony kianja ny ekipa roa tonta, taorian’ny ora 2 mahery ka nomena 20 mn hanafanan-tena. Taorian’izay, nitohy ny fihaonana ka nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0, ny frantsay. Baolina roa no nampidirin’i Mbappé, teo amin’ny minitra faha-14 sy faha-54. Namono ny baolina fahatelo kosa i Ousmane Dembelé, minitra faha-66. Taorian’ity fandresena azony ity, tafita amin’ny dingana ampaha-16-ndalana i France, na mbola hihaona amin’i Norvège aza, eo amin’ny andro fahatelo. Ry zareo Norvezianina izay nandavo an’i Sénégal, tamin’ny isa 3 no ho 2. Manify ny herijika hahatafita ny Sénégal amin’ny dingana manaraka.
Tompondaka




