Mirongatra ny fifindra-monina, indrindra ny an-tanàn-dehibe, ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Manerantany izany tranga izany fa tsy ny eto Madagasikara ihany.
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny fitsidihana ara-pombam-pifanajana ny tompon’andraikitry ny tananan’Antananarivo, nataon’ny talem-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika, Ashraf El-Nour. Ny anton’ny fifindramonina, ny olana aterany ary ny vahaolana manoloana izany no nampahafantarina nandritra ny fitsidihana. Niaraka tamin’izany ny dinika sy tatitra niarahana tamin’ny mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka ary mpanohana ny OIM.
Niakatra ny tahan’ny fifindra-monina, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Efa manodidina ny 2 tapitrisa ny mponina voasoratra ara-dalàna eto Antananarivo, raha tokony ho manodidina ny 3 hetsy no zakan’ny lalana sy ny foto-drafitr’asa misy eto. Maro ny antony mahatonga izany. Isany ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manaraka izany, ny fivangongoan’ny toerana lehibe sy ny zavatra ilain’ny olona eto an-tanàn-dehibe.
“Tsy manana zo hanilika sy handà azy ireny anefa isika. Mandroso vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy no tokony hatao”, hoy i Ashraf El-Nour, Tale-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika. Voalohany indrindra ny famoahana ny foto-drafitrasa ilain’ny olona any ivelan’ny tanàna, sahala amin’ny Hopitaly sy ny tsena lehibe. Manaraka izay ny tokony hisian’ny fiaraha-midiniky ny ben’ny Tanana eto antanan-dehibe sy ny kaominina manodidina ny mahakasika ny programan’asa momban’ ny fifindra-monina. Tanjona ny fampanarahan-dalàna sy fandavorariana ny fifindra-monina eto Antananarivo. Soso-kevitra naroson’ity talem-paritra ity ihany koa ny fijerena manokana ny lafiny asa, indrindra ny ho an’ny tanora mba hampisy vokatsoa ny fifindra-monina eo ami’ny sehatry ny ekonomia. Efa nisy ny asa natao, niarahan’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny OIM manoloana izany. Nisy ny fanaovana ny “Bokim-bahiny” nomerika, natao hanisana sy hamantarana misimisy kokoa ny mpifindra-monina.
Nandritra ity fitsidihana ity no nanehoana ny fomba fampiasana izany tamin’ny talem-paritry ny OIM.
Lin (Mpianatra asa)