Tetikasa LEAD: mahatratra 2 tapitrisa ny olona nisitraka herinaratra

Tapitra amin’ity volana jona ity ny tetikasa Lead, miompana amin’ny fahazoan’ny rehetra angovo sy herinaratra. Notohanan’ny Banky iraisam-pirenena, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izany. Nahafapo ny vokatra.

Natao omaly, ny tomban’ny tetikasa fampiroboroboana ny fahazoana angovo sy ny herinaratra mora (Lead). Votoatiny ny nisintomana ny paikady na­homby tamin’ireo vokatra azo, teo anelanelan’ny volana jolay 2019 hatramin’ny jona 2026. Tanjona ny hanafainganana ny fahazoana herinaratra amin’ny fomba maharitra, ho an’ny rehetra ary mifanaraka amin’ny zava-misy manerana ny Nosy.
Raha aravona, tratra hatrany amin’ny 99% ny tanjona napetraka. Mitotaly 2 tapitrisa ny mponina nisitraka mivantana ny Lead, manerana ny faritra 24 sy distrika 120, eto amintsika. Nahatratra 210 000 ny fampidiran-jiro vita, ka tao anatin’ny Fampi­diran-jiro Mora ny 165 000. Niisa 5 000 ny kaontera niomerika (compteurs intelligents) nampidirina isan-tokantrano, nampidirina anaty tambajotran’ny Jirama. Jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro 15 000 no napetraka manazava ny arabe sy ny tanàna. Nahatratra 440 000 ny kojakoja jiro mandeha amin’ny masoandro nozaraina ho an’ny tokantrano marefo.

Fampandrosoana maharitra
Nisy koa ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao ny teknisianina niisa 25. Eo koa ny fampitaovana maoderina sy niomerika samihafa, nentina nanatanteraka ny tetikasa. Ankoatra ireo, miisa telo ny didim-panjakana navoaka, miompana amin’ny angovo azo havaozina, mifanaraka amin’ny Sata mifehy ny herinaratra.
Nilaza ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo, Ra­bearimanga Radonirina, fa manokatra lalana mankany amin’ny fisitrahan’ny besinimaro ny herinaratra ity tetikasa ity. Nanamafy koa ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa, Raherinantenaina Barnia, fa nitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny fotodrafitrasa tsirairay napetraka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: