Efa taona maromaro no nikaondoha ny firaisamonina sivily ny amin’ny tokony hananganana amin’izay ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary ara-kolontsaina (CESC), araka ny And. 105 ao amin’ny lalàmpanorenana. Niaraka tamin’ny mpisehatra rehetra ry zareo tamin’izany. Eo ny ny avy amin’ny fanjakana, mpandraharaha, na sendikà… Nisy àry ny atrikasa teny Antaninarenina, omaly, nandrafetana ny volavolana tolo-dalàna ny amin’izany. Heverina hatolotra hodinihina sy holanian’ny parlemantera amin’ ny fivoriana ara-potoana, volana mey, izany; eny, na efa hifarana aza ny fe-potoam-piasana.
“Rafitra hanolo-kevitra ny fitondram-panjakana ny filohan’ny Repoblika sy ny parlemanta momba ny fampandrosoana ny toekarena, sosialy, kolontsaina, tontolo iainana”, hoy ny avy amin’ ny firaisamonina sivily, ny Dr Ranaivoson Solo. Sehatra hisian’ny fifampidinihana marolafy ny CESC, hanome volavolan-kevitra iraisana momba ny toekarena sy sosialy ary kolontsaina. Eo koa ny fanamafisana ny fifampiresahana hisian’ny fitoniana sosialy. Mba tsy handeha irery ny fitondram-panjakana. Na hadino na atao anjorombala ny seha-pihariana, fa handray anjara amin’ny fifampidinihana.
Farany, mba ho hita taratra eto Madagasikara ny dingana any amin’ny sehetra iraisam-pirenena enti-mampandroso ny toekarena sy sosialy ary kolontsaina eto an-toerana.
R. Nd.