Vondrona Afrikanina : manomboka anio ny fivoriambe faha-36

Tontosaina ao Addis Abeba, Ethiopie, ny fivoriamben’ny firenena ao ana­tin’ny Vondrona Afrikanina. Ny 18 sy 19 Febroary 2023 no hanaovana ny fivoriana. Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ ny firenena mpikambana no ho avy hanatrika izany. Man­dray anjara amin’izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina.
Hifandinika mandritra ny roa andro ao amin’ny foiben’ ny vondrona Afrikanina, ao Addis Abeba, ny firenena 55, mpikambana ao anatin’ity vondrona ity. Lohahevitra napetraka mandritra ity fivoriambe ity ny fanafainganana ny fananganana ny Zone de libre-échange continentale Africaine na ZLECAF. Izy ity izay tsenabe iombonan’ny Afrika iray manontolo. An­ko­atra izay, hisy ny fihaonana eo amin’ny samy firenena mpikambana, izay mety hiafara any amin’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa na maromaro. Ankoatra izay, fotoana ihany koa ny fivoriana sahala amin’itony hihaonana amin’ny mpampiasa vola sy mpanohana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: