Etamazaoron’ny tafika: « Adidintsika ny fambolen-kazo »

Novolen’ny tafika avy eo anivon’ny Etamazaoro telo eo anivon’ny foloalindahy zana-kazo ny tany mirefy 2 Ha tao amin’ny fokontany Antsaha­maro, kaominina Talata-Vo­lonondry, distrikan’Antana­narivo Avaradrano, omaly. “Adidintsika ny mamboly ha­zo”, hoy ny lehiben’ny Eta­ma­zaoron’ny Tafika, Jly Sa­hivelo Lala Monja, teny an-toerana. Anatin’ny fanantanterahana ny velirano fahafolon’ny filoham-pirenena, zana-kazo mitotaly 5 000 no nambolen’izy ireo ho an’ity omaly ity. Natao hanatsarana ny tontolo iainana sy hanome loharano, tafiditra anatin’ny fiarovana ny ain’ny vahoaka izay anisan’ny andraikitra voalohan’ny tafika ny fanaovana hetsika toy izao. Anisan’ireo zana-kazo novolena, ny akasia, kininina oliva sy ny kininina tsotra. Marihina fa tanjon’ny eo anivon’ny tafika malagasy ny hamboly zana-kazo amin’ny velaran-tany 10 000 Ha ho amin’ity taona ity.

Tsiferana R.

Partager sur: