Hatramin’izao, tsy mbola misy ekipa afrikanina tafita amin’ny dingana ampaha-16-ndalana amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Ho an’ireo tsy tafiditra roa voalohany isam-bondrona, misy toerana valo hiadiana ho an’izay fahatelo tsara toerana indrindra.
Firenena 7 no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana ampaha-16-ndalana amin’ny “Mondial 2026”, tanterahina any Canada sy i Etats-Unis ary i Mexique. Anisan’ireo ny mpampiantrano roa dia ry zareo Be Kintana sy i Mexique. Ankoatra azy ireo, manohy ny diany ihany koa i Argentine, tompon’ny anaram-boninahitra farany, i France, tompondaka lefitra. Eo koa ry zareo Mannschaft (Rainiboto) sy i Norvège ary i Colombie. Etsy andaniny, firenena 5 no efa mangoron-damba, hatreto, dia i Tunisie ho an’i Afrika, i Haiti, i Turquie, i Jordanie ary i Panama.
Ho an’ireo ekipa nahazo isa ratsy, mbola afaka miandrandra ny laharana fahatelo tsara indrindra izy ireo. Miisa valo ny toerana hiadiana amin’izany. Ankehitriny, efa fantatra ireo manana herijika hisitraka izany. Ao i Suède, ho an’ny vondrona “F”, i Ecosse vondrona “C”, Croatie “L”, Algerie “J”, i Paraguay “D”. Samy manana isa 3 avy izy ireo. Eo koa i Cap-Vert “H”, nahazo isa 2. Belgique “G” sy i Tchecoslovaquie “A”, manana isa 1 avy. Faha-9 ny RD Congo ary fahafolo i Equateur. Faha-11, i Bosnie-Herzegovine ary faha-12 i Senegal. Ho an-dry zareo sénégal, mila mandresy amin’ny isa 5 no ho 0 na mihoatra, amin’i Irak, izy ireo vao afaka hanohy ny dia any amin’ny ampaha-16-ndalana.
Tompondaka
Sokajy “C” – (1 ora maraina) – Maroc vs Haiti
Ecosse vs Brésil
Sokajy «A» – (4 ora maraina) – Afrika atsimo vs Corée Atsimo
Tchèque vs Méxique
Sokajy «E» – (11 ora alina) – Côte d’Ivoire vs Curaçao
Equateur vs Allemagne




