Willot, i Antonio, i Marina Tompon’amboara Beach volley

Nizotra ny faran’ny herinandro teo, tany Toama­sina, ny fiadiana ny am­boaran’­i Madagas­i­kara,­  taranja Beach volley, fihodinana faharoa. Ekipa 24 no nifaninana niady ny amboara nandritra izany. Teo amin’ny vokatra kosa, voahosotra ho tompon’amboara i Willot sy Anto­nio, teo amin’ny sokajy lehilahy,  rehefa nahazo ny fandresena nanoloana an’i Julio sy i Odilon,  tamin’ny seta 2 no ho 0 (21-13/21-10). Teo amin’ny sokajy vehivavy indray,  nivoaka ho mpandresy i Marina sy i Julienne,  rehefa nandavo an’i Lillie sy i Rojo,  tamin’ny seta 2 no ho 0 (21-13/21-16). Tsia­hivina fa efa nandrombaka ny anaram-boninahitra i Mariana sy i Julienne, tamin’ny fihodinana voalohany, natao teto Antananarivo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga.  Laharana fahatelo, teo amin’ny lehilahy, i Kevin sy i Mario. Fahatelo torak’izany koa, teo amin’ny vehivavy, i Jessie sy i Emma.  Azo lazaina ho niakatra ny lentan’ny mpifaninana ary manomboka mahaliana ny mpilalao volley malagasy ny fifaninanana Beach volley. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho avy ireo mpandresy tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity.

Mi.Raz

Partager sur: