Tetikasa APA: fizarana ny tombontsoa avy amin’ny fototarazo

Natao omaly, ny tatitra momba ny tetikasa Fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana mahakasika ny zavamaniry (APA). Voakasik’izany ireo zavamaniry fanao fanafody, fikarakarana ny vatana sy tarehy. Tetikasa natao ny taona 2018 hatramin’ny 2025 ny APA, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena tany Nagoya.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary (DGAPRNE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Ramatoa Ratefason Tojotsa­ra, fa tsy afaka trandrahina fotsiny amin’izao ny akora voajanahary fototarazo. Mila misitraka ny tombontsoa azo avy aminy koa ny mponina eny ifotony. Efa misy ny didim-panjakana mifehy azy, ankehitriny, saingy mbola ho hatsaraina ka eo am-pamolavolana ny lalàna vaovao. Voakasik’ity sehatra ity avokoa ny fanjakana, ny mponina eny ifotony, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny mpikaroka, fa indrindra ny sehatra tsy miankina.
Nohazavain’ny tomponandraikitry ny APA ao amin’ny minisitera Medd, Ramatoa Ramamonjisoa Lolona, fa anisan’ny tamberina apetraka ny tombontsoa hitondra fampandrosoana eny ifotony, araka izay andrasan’ny mponina. Misy ny fifanarahana mirakitra ny fanomezana fahazoan-dalana ahafahana mitrandraka ny zavamaniry fototarazo sy ny fitsinjarana ny tombontsoa azo aminy. Voaka­sik’ izany ireo orinasa tsy miankina mitrandraka ny zavamaniry tsy fahita raha tsy eto Mada­gasikara.

Njaka A.

Partager sur: