Tanora miisa 138 no nahazo mari-pankasitrahana ho an’ny andiany voalohany tamin’ny fandaharanasa Asan’AI. Ankehitriny efa miasa eo amin’ny sehatry ny Business Process Outsourcing (BPO) ny 136. Anisan’izany ny 58 efa manana fifanarahana maharitra na CDI.
Maneho ny fahombiazan’ny fandaharanasa amin’ny fampitomboana ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny sehatry ny asa ireo vokatra tanisaina ireo. Tsiahivina fa tetikasa mikendry hanamafy ny fahaiza-manao niomerika sy hanohana ny fidiran’ny tanora malagasy eo amin’ny tsenan’ny asa, indrindra amin’ny sehatra BPO ny « Asan’AI ». Tohanan’ny tetikasa “Pôles intégrés de croissance” (PIC) sy ny Banky iraisam-pirenena. Tanjony ny hamaha olana roa lehibe dia ny tsy fananan’asa eo amin’ny tanora sy ny tsy fahampian’ny mpiasa mahafeno fepetra ilain’ny orinasa BPO. Nilaza ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampandrosoana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisandavitra fa “mamaly mivantana ny filan’ny tsenan’ ny asa sy ny filan’ny tanora malagasy ny fandaharanasa Asan’AI.” Nambarany ihany koa fa “laharam-pahamehana ho an’ny firenena ny fanamafisana ny fahaiza-manao niomerika mba hiatrehana ny asa”.
Fanamafisana ny fahaiza-manao
Natomboka tamin’ny volana janoary 2026 ny fandaharanasa. Nahasarika tanora maro izany satria nahatratra 4 606 ireo nisoratra anarana ana habaka, niampy 89 hafa avy amin’ny “speed recruiting”. Nahatratra 335 ireo kandidà avy amin’ny faritra samihafa voafantina tamin’ny dingana voalohany. Nanomboka ny volana marsa ka hatramin’ny volana mey teo, miisa 236 ireo tanora nisitraka fiofanana hentitra momba ny fahaiza-manao tekinika, fiteny ary fitondran-tena arak’asa. Kandidà 149 no nanao fiofanana anivon’ny orinasa nandritra ny iray volana, raha ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Pic, Rakotondrazaka Ladislas Adrien, “Manaporofo izao vokatra izao fa sehatra lehibe mamorona asa sy mampiroborobo ny toekarena ny BPO”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa miomana amin’ny andiany faharoa, hatao amin’ny volana jolay izao, ny “Asan’AI”. Am-pandinihana ireo kandidà miisa 3 499 izy ireo.
Henintsoa




