Wednesday Morning Group : Vehivavy 160 vonona handraharaha

Taorian’ny fiofanana momba ny zaitra sy ny fampiasana ny niomerika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG), vonona hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy hampihatra ny fahaiza-manaony tamin’ny fianarana norantoviny ireo vehivavy miisa 160, avy amin’ny andiany Meva. “Natao hampiroboroboana ny fahaleovantenan’ny vehivavy sy hanomezana azy toerana mendrika eo amin’ny fiarahamonina ny tanjona voalohan’ny ivontoeram-piofanana”, hoy ny filohan’ny WMG, i Tsiranana Fiona. “Porofo ny fikirizana, faharetana, fahavitrihana tamin’ny ezaka vita sy natao anio”, hoy ny fanazavany nandritra ny fanolorana mari-pankasitrahana azy 160 vavy, ny 17 jona teo. Dingana iray no vita ka hametrahan’ireo tanora fanamby samihafa hampivoarany ny fiainany sy enti-manatsara ny fidiram-bolany. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny WMG fa ” tsy misy zavatra tsy ho voasakana rehefa misy ny finiavana”. Ankilany, vonona hanova ny fiainany sy hampivoatra ny sehatr’asany ho matihanina hatrany ireo mpiofana. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, tamin’io fotoana io koa, ireo mpiofana vaovao andiany Fanilo. Miisa 42 ireo tanora hotarihin-dramatoa Rakotonarivo Rakotonavahy Donatella, filohan’ny fikambanana 4F.

Henintsoa

Partager sur: