Hojerena ny fomba hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ny famokarana maharitra, ny fanodinam-bokatra ary ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpamokatra.
Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny firenena mpamokatra Cacao (ICCO), tany Bruxelles, ny herinandro lasa teo. Anisan’ireo nanatrika ny dinika ny delegasionina malagasy, niaraka tamin’ny Filankevitra nasionalin’ny Cacao (Conseil international du cacao), izay tohanan’ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (PIC). Zava-dehibe ny hametrahana ny fenitra iraisam-pirenena mifehy ity vokatra ity hiantohana ny rojom-pamokarana sy ny fiharian’ny tantsaha ary ny fanondranam-bokatra.
Famokarana
Voafaritra nandritra ny fivoriana ihany koa ny toerana iraisan’ireo firenena mpamokatra. Fanapahan-kevitra izay entina hiadian-kevitra amin’ireo firenena mpanjifa mandritra ny fivorian’ny Filankevitra iraisam-pirenena momba ny Cacao. Marihina fa mbola ambany, 0,2% ny tsena maneran-tany ny vokatra malagasy. Miavaka kosa izy noho ny kalitaony. Ankilany, mamelona tokantrano sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena ity seha-pihariana ity. Fanamby goavana atrehin’ireo mpisehatra kosa ny hiantohana ny famokarana maharitra, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Henintsoa




