Roa volana taorian’ny fitakiana, mbola tsy mihatra hatramin’izao ny fampakaran-karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME), ho an’ny sehatra tsy miankina. Mitohy ny tolona ho an’ny sehatra tsy miankina, izay anisan’ny mamelona sy manodina ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa takin’ny Fisema ny hampakarana ny SME ho 360 000 Ar.
Nogiazana avokoa ireo lafarinina 4 000 gony, samba, tratra tamina mpandraharaha iray mpanafatr’entana. Voamarina, taorian’ny fitiliana natao, fa tsy azon’ny olombelona hohanina ireo entana ka handraisana fepetra mifanaraka amin’izany. Vokatra azo taorian’ny fitsirihana ataon’ny kaomiseran’ny Varotra sy ny fifaninanana.
Hiara-kiasa ny Jirama, Watalux ary ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana amin’ny famokarana akora fanadiovan-drano (Chlore). Tanjona ny hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanafarana io akora io sy ny hanamafisana ny fahazoan’ny mponina rano madio fisotro sy azo antoka.




