Nandrombaka medaly 22 ny Malagasy mpikatroka taranja Kick boxing, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Kameronina. Migadona an-tanindrazana, androany, izy ireo.
Nanakoako tany Kameronina indray i Madagasikara! Namokatra ary nitondra vokatra tsara ny solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick Boxing, natao tany Kameronina, ny 21 hatramin’ny 27 jona lasa teo. Medaly 22 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandritra ity fifaninanana ity: volamena ny 14, volafotsy ny 3 ary alimo ny 5. Nisy tamin’ireo atleta no nanao pao-droa, teo amin’ny Low kick sy K1, ka nampiakatra ny isan’ny medaly azon’ny Malagasy. Anisan’ny nisongadina ny malagasy mpikatroka, i Audrey , teo amin’ny sokajy latsaky ny 55kg, izay nahazo medaly volamena 3 be izao, teo amin’ny “créative form”, “Light Contact” ary “Kick light”.
Ampy traikefa
Tsiahivina fa efa nahazo medaly volamena ihany koa ity tovovavy ity tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natrehiny farany, talohan’ity 2026 ity. Nihatsara ny vokatra raha oharina ny tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany, satria tafakatra 14 ny medaly volamena, raha toa ka 10 izany teo aloha. Manaporofo ny fahaiza-manaon’ny kaomisiona nisahana ny teknika sy ny ezaka nataon’ny Federasionina ary ny fikirizan’ny atleta izao fahombiazana izao. Tratra ihany koa ny tanjona sy fampanantenana nomen’ireo atleta tamin’ny vao hiainga teto an-tanindrazana. Izao no tanteraka dia ny fiaraha-mientan’ny federasiona, mpanazatra nasionaly eo anivon’ny ekipa teknika tarihan’ny Maître Kelly ary ny atleta, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Kick Boxing, Rafidison José. Tsiahivina fa efa nigadona an-tanindrazana, androany, tamin’ny 3 ora maraina, ny delegasiona malagasy, nahitana ireo atleta 17 mianadahy sy ny mpitarika ny delegasionina ary ny mpanazatra.
Mi.Raz




