Pureplay Football League : Tompondakan’i Madagasikara ny CFFA Andoharanofotsy

Efa-taona aty aoriana! Voa­hosotra ho tompondakan’i Madagasikara, Pureplay Foot-ball League (PFL), ny CFFA Andoharanofotsy, ary lasan’ izy ireo ny lelavola 20 tapitrisa Ariary. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Ajesaia Antaninkatsaka, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny an-toerana, nanjakan’ny CFFA mihitsy ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany, ny nampidiran’i Gregas, lohala­ha­ran’Andoharanofotsy, ny baolina, fito minitra nanombohan’ny lalao. Tany amin’ny minitra faha-35, mbola nampian’i Tahiana indray ny isa ho an’ny CFFA, nitarika 2 no ho 0 ny ekipan’Andoharanofotsy. Tany amin’ny minitra faha-44 vao nampihena ny isa i Basta, lohalaharan’ny Ajesaia. Tao­rian’io moa izy dia nahazo karatra mena, noho ny fahadisoana nataony tamin’ny mpi­lalaon’Andoharanofotsy, mialoha io baolina tafiditra io. Isa 2 no ho 1 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tany amin’ny fidirana faharoa, nifandimbiasana amin’izay ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, niezaka nanasahala ny isa ihany ry Ricka sy i Coco ary Ramôdy, saingy nijanona tamin’io isa 2 no ho 1 io ihany ny lalao, nandresy ny CFFA. Tsy mbola afa-bela amin’ny CFFA izany ny Aje­saia. Tsiahivina fa efa re­sin’An­doharanofotsy, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpila­laon’Antaninkatsaka, nandritra ny famaranana ny “Pro Ligue 2022”. Ny CFFA izany no ho solontenan’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf 2026.”

Fitia Randria

Partager sur: