The Anja Reserve Lodge : Anisan’ny hotely tsara indrindra aty Afrika

Vao nisokatra roa taona monja, voasokajy ho anisan’ny trano fiantranoana sy fisakafoana tsara indrindra aty Afrika sy ranomasimbe In­diana ny The Anja Reserve Lodge & Restaurant. Any An­jaha, akaikin’Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, manamorona ny lalam-pirenena RN7 no misy azy. Laharana faha-14 ny filaharany, araka ny fanasokajiana Travellers’ Choi­ce Best of the Best. Eo amin’ny fidirana mankao amin’ny Valanjavaboahary Anja­ha no ahitana ny The Anja Reserve Lodge & Restaurant, voasoratra ao anatin’ny marika Ragon.

Tsy ny moron-dranomasina ihany
Nilaza i Rija Ragon, anisan’ny nanangana ity hotely ity, fa tsy fankasitrahana ho an’ny « lodge » fotsiny ity loka ity, fa fomba iray hanehoana sy hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Tsy mionona amin’ny moron-dranomasina ihany isika fa eo koa ny tontolo voajanahary an-tanety, ny Valanjava­bo­ahary, ny hatsaran’ny tanàna, ny tendrombohitra, ny karazan-javamananaina, ny tantaran’ny mponi­na,sns.

Njaka A.

Partager sur: