VAOVAO TAMBATRA

Haharitra herinandro ny fikojakojana ny milina DG2 ao amin’ny Afripower Mandroseza. Tara roa taona ny fikojakojana ara-teknika, ka antony hanatanterahana izany amin’izao fotoana. Tanjona ny hiantohana ny fitaovam-pamokarana, indrindra mandritra ny vanim-potoan’ny haintany. Marihina fa mahatratra 40MW ny herinaratra azo avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy ao Mandroseza.

Handefa milina mpamokatra herinaratra 500kW ao Morondava ny fanjakana hamahana ny olan’ny herinaratra ao an-toerana. Nilaza ny filohan’ny Fanavaozana fa olana ara-teknika no mahatonga ny fahatapahan-jiro ao amin’ny faritra fa tsy delestazy. Mbola orinasa tsy miankina, hoy izy, no mitantana ny herinaratra ao an-toerana.

Vinavinaina ho vita amin’ny volana septambra ny fanadihadiana ara-tekinika ny RN8. Tetikasa iarahana amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Miara-mamatsy vola ny tetikasa ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hanarenana ireo lalam-pirenena samihafa eto amin’ny firenena izay fototry ny fampandrosoana ny Faritra sy ny toekarena ary ny fampanan’asa ny daholobe.

Partager sur: