Ampaha-16-ndalana : Miandrandra an’i Maroc sy i Côte d’Ivoire ny maro

Ekipa afrikanina roa no indray hiditra an-tsehatra, anio, dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Lions de l’Atlas, Maroc, eo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, amin’ity «Mondial 2026 » ity. Fihaonana hiendrika famaranana avokoa ny azy roa tonta ireo.

Anisan’ny lalao mahasarika ny mpanara-baovao amin’ity «Mondial 2026» ity ny fihaonana roa hatrehin’ireo solontena afrikanina. Voa­lohany, ny fifandonan’ny Lions de l’Atlas, Maroc amin’ny Les Oranjes, Pays-Bas. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Monterrey, ao Guadalu­pe. Heverin’ny rehetra fa ho toy ny famarananakely mialoha ny fotoana ny an’ny roa tonta.
Raha ny tombana sy ny antontanisa navoakan’ireo ma­nampahaizana sy ny teknisianina, 42 % ny herijika handresen-dry zareo Holandey, raha 28 % ny an’i Maroc. 30 % ho an’ny fanalavam-potoana. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny Lions de l’Atlas, nandritra ny “Mondial” farany. Ekipa heverin’ny rehetra fa ho lasa lavitra amin’ity izy ireo. Mari­hina fa tsy mbola nisy resy ireo ekipa roa ireo ary samy manana isa 7 nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Fihaonana iray harahin’izao tontolo izao koa ny an’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Norvège. Lalao hatao ao amin’ny Kianja Dallas, ao Arlington.
Raha ny vinavina amin’ity, ambony ny antontanisa manome fandresena ho an’i Norvè­ge, mahatratra hatrany amin’ny 47 %, raha 26 % ho an’Ivoarianina. Tsy misy afa-tsy 27 % kosa ny ady sahala. Fandresena iray sy faharesena iray avy kosa no vokatra azon’ireto firenena roa ireto tao anaty vondrona nisy azy. Tsiahivina fa ekipa afrikanina faharoa, midona amin’i Norvège, i Côte d’Ivoire, amin’ity “Mondial” ity, taorian’ny Lions de la Téranga, Sénégal, tao amin’ny sokajy “I”. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 2 ry zareo senegaley, tamin’izany.

Tompondaka

Partager sur: