Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja CAI Ambodin’Isotry, ny “Media Cup – Independence Day 2026”, taranja tsipy kanetibe, nifanandrinan’ny samy mpanao gazety. Fifaninanana nokarakarain’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM). Nisongadina ny TVM, nandrombaka amboara telo. Mpandresy teo amin’ny lalaon’olon-telo, i Tita sy i Nary ary i Faniry Kelly, rehefa nandresy ny Radio Fivoarana, hany ekipa nisy vehivavy, “mixte”, tamin’ny isa 11 no ho 0. Azon’i Tita ny teo amin’ny olon-tokana, raha nandavo an’i Ando (Les Nouvelles), tamin’ny isa 11 no ho 6, izy. Voalohany teo amin’ny “tir de précision” i Naina, narahin’i Michel (TV Plus).
Niavaka kosa ny zava-bitan’i Miarimbola Vahatra, tompondaka teo amin’ny lalaon’olon-tokana, vehivavy, rehefa nandresy an’i Prisca (TV Plus). Faharoa izy teo amin’ny olon-telo miaraka, niarahany tamin’i Jao sy i Ravaka. Ankoatra ny amboara sy medaly, nahazo valopy sy loka maro avy amin’ny mpanohana ireo telo voalohany. Nomen’ny UJSM fanomezana manokana ireo vehivavy nandray anjara. Mpanohana ny lalao ny Lehiben’ny faritra Analamanga, ny Orange Madagascar, ny Cecam, ny FSBM, ny PK Analakely sy Raoto Andriamanambe. Fanirian’ny rehetra ny hisian’ny andiany fahatelo tsy ho ela. Tanjona kosa ny hanangana ekipa hifaninana eny anivon’ny ligy sy federasionina.
Fitia Randria




