Nampahafantarina ny 29 sy 30 jona teo ny tetikasa hametrahana ny fotodrafitrasa niomerika iombonana ho an’ny fambolena (IPNA). Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao mahakasika ny fambolena sy ny fomba famokarana. Fotodrafitrasa ahitana ny rejisitry ny mpamokatra sy ny rafitra fanaraha-maso ny vidim-bokatra. Eo koa ny rafitra fanairana ny momba ny toetr’andro, manome vaovao ara-potoana sy azo antoka. Sehatra niomerika manolotra torohevitra ara-pambolena mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny mpamokatra. Manohana ny tetikasa IPNA ny Banky iraisam-pirenena sy ny KWPF, iarahana amin’ireo minisitera voakasika (Fambolena, Fiompiana, Fifandraisan-davitra).
Njaka A.




