Miroso ny dingana hanombohana ny asa fananganana ny Fly Overs Anosizato. Harindra ny tetikasa ka jerena manokana ny lafiny sosialy sy ara-tontolo iainana. Tsy hikatona ny RN1 mandritra ny asa hatao. Harindra ny fivezivezen’ny fiara. Hosokafana ny lalam-piviliana mba hampihenana ny fahasahiranan’ireo mpampiasa lalàna. Nivoitra tao anatin’izay ny fanonerana ho an’ny mponina sy ny fananana voakasiky ny tetikasa.
Hotanterahina ny 6-8 aogositra ny Tsenabe ara-toekarena « Manandratra », andiany voalohany. Hetsika atao ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, hanandratana sy hampahafantarana ny vokatra mampiavaka ny faritra. Fotoana ihany koa hahafahan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha mifandray sy mifanakalo traikefa hanatsarana ny seha-pihariana. Hisy ny dinika sy lohahevitra hifanakalozan’ireo manam-pahaizana maro samihafa hanatsarana ny lalam-pihariana.
Namiratra ny tanora malagasy nandritra ny « Forum de la Cybersécurité de l’Océan Indien (FCOI 2026) ». Hetsika natao tany La Réunion, ny 16-19 jona teo. Tafiditra anatin’ireo talenta folo sangany ireo mpianatra avy amin’ny Ecole nationale d’Informatique ao Fianarantsoa. Laharana faharoa tamin’ny « Top 10 Océan Indien » i Madagasikara. Nahazo ny anaram-boninahitra “Top 1 Féminine de l’Océan Indien” ny tovovavy iray. Tompondaka tamin’ny fifaninanana “Escape Game” isam-bondrona kosa ny ekipa malagasy.




