Betsaka no diso kajy : Lavo tsikelikely ny andrarezina

Nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny dingana ampaha-16-ndalana amin’ny «Mondial». Firenena goavana iray no nangoron-damba dia ny Mannschaft, Allemagne. Manohy ny diany kosa ny Maraokanina, rehefa nanintsana ny Les Oranjes, Pays-Bas.

Vokatra tsy nampoizin’ny maro ny fihintsanan’ny Mannschaft, Allemagne sy ny Les Oranjes, Pays-Bas, teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, notanterahina ny alatsinainy sy ny talata lasa teo. Nosakanan’i Paraguay ny lalan-dry Rainiboto. Lavon’i Paraguay, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3, ry zareo alemà. Fihaonana natao tao amin’ny Kianja Boston, Foxborough. Nisara­ka ady sahala, 1 sy 1, ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Nampiditra ny baolina voalohany ny ekipan’i Paraguay, tamin’ny alalan’i Julio Enciso (42 mn). Nanao totoafo ny fanafihana alemà teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nosahalain’i Kai Havertz, teo amin’ny minitra faha-54 ny isa. Niezaka nitady ny baolina faharoa ry Sané sy i Undav, tsy nety nahatafiditra baolina intsony. Niditra tamin’ny fanalavam-potoana fa sahala ny isa, ka tany amin’ny fandakana ny “tirs au but” no taraiky ny Rainiboto.
Nitovy tamin’izany koa ny lalaon’ny Lions de l’Atlas Maroc sy Les Oranjes Pays-Bas. Very tany amin’ny “tirs au but”, ihany koa ny Pays-Bas. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1 koa, ny roa tonta ka zareo volomboasary no nitarika rehefa namono baolina i Cody Gakpo, minitra faha-72. Efa tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 1mn vao nahasahala ny isa ny maraokanina.
Sahirana kosa ny Brésil (Mavo lamba) vao tafavoaka raha nikatroka tamin’i Japon. Nisaraka 2 no ho 1 ny roa tonta ka nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 ny japoney, rehefa namono ny baolina tokana ho azy i Sano. Nosahalain’i Casemiro izany, teo amin’ny minitra faha-56 ary tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 5 mn no nahafaty ny baolina nitondra ny fandresena ho azy i Martinelli.

Tompondaka

Partager sur: