Airtel Madagasikara: Manarina an’i Toamasina

Mandray anjara feno amin’ny fanarenana an’i Toamasina, vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, ny orinasa Airtel Ma­dagasikara, amin’ny alalan’ny Fondation Airtel Africa. Natao ny 25 jona teo ny fanolorana ny fanampiana ho an’ny Lycée Rabemananjara. Tonga nanatrika ny fotoana ireo manam-pahefana maro, tao koa ny solontenan’ny orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Fampitaovana ho an’ny efitrano fianarana miisa 5, toy ny dabilio, tabilao, armoa­ra, seza, sns, no natolotra tamin’izany. Nolokoina ny tambohon’ny sekoly.
Mifameno amin’ny fanampiana efa nataon’ny Spat ity natao ity. Miisa 250 ny mpianatra misitraka izany.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Ramatoa Anne Catherine Tchokonté, fa teo foana ny orinasa tamin’ny asa vonjy aina, taorian’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Hampazoto ny mpianatra izao fampitaovana izao, sady efa antomotra ny fanadinana BEPC sy bakalorea. Marihina fa ny orinasa Spat no niantoka ny fanavaozana ny efitrano sekoly ao amin’io Lycée voalaza etsy ambony io.

Njaka A.

Partager sur: