Vita sonia omaly, teny Antaninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny faritra Sava. Tetikasa mikendry ny hanamafy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola any an-toerana. Hetsika tafiditra ihany koa ao anatin’ny paikadin’ny EDBM amin’ny fananganana ny sampana ao Sambava, araka ny drafitrasany ho an’ny taona 2026. Hanamora ny fampiasam-bola sy hanohanana ireo mpandraharaha ao an-toerana ny sampana hapetraka. Tanjona ny hampiroborobo ny toekaren’ny faritra. « Tsy ho ela dia ho azo atao any an-toerana, amin’ny alalan’ny vovonan’orinasa ny fananganana orinasa. Hisy ihany koa ny tohana omena ny mpandraharaha araka ny sehatra misy azy », hoy ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle.
Tetikasa
Ankoatra izay, hisongadina ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny fampahafantarana ireo loharanon-karen’ny faritra, hisarihana ireo mpampiasa vola ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. « Hitondra tombontsoa betsaka any an-toerana ny fampivoarana ny indostria
izay tena mbola tsy ampy », hoy ny lehiben’ny faritra Sava, Razanantsoa Brassilive David. Miantso ny fanjakana ihany koa izy hanamafy ireo tetikasam-pampandrosoana eny ifotony, indrindra ireo fandaharanasa mampiroborobo ny famoronan’asa sy ny fampiasam-bola.
Hanamora ny fananganana tetikasa vaovao sy hanohanana ireo tetikasa efa misy ny fifanaraham-piaraha-miasa natao. Hamaritra ihany koa ny rafitra ara-toekaren’ny faritra izany. Hanamafy ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana izany.
Henintsoa




