Jeux corporatifs AMDRHE : Orinasa 34 handray anjara

Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny fikambanana AMDRHE, hisy fifaninanana iraisan’ny orinasa tsy miankina na «Jeux corporatifs». Taranja fito no hifaninanana ka miisa 34 ireo handray anjara amin’izany.

Feno 20 taona ny AMDRHE, fikambanana misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina. Tsy avelan’ireo tomponandraikitra handalo fotsiny izany fotoana izany fa hankalazaina, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny foibe toeran’ny tranom-piantohana Aro Antsa­havola, omaly alarobia. Hisantatra izany ny «Jeux corporatifs», hotanterahina ny sabotsy 4 sy ny alahady 5 jolay ho avy izao, eny Ankatso. Handray anjara amin’izany ireo orinasa miisa 34 eto an-dRenivohitra. Miisa 7 ireo taranja hifaninanana ka anisan’izany ny baolina kitra ho an’olona fito, izay be mpandray anjara indrindra. Eo koa ny volley-ball, ny basket-ball, ny ping-pong, ny «belote», ny daomy ary ny tsipy kanetibe. Natokana ho an’ireo mpiasa ny fihaonana ka tsy afaka mandray anjara ireo olona manana kara-pilalaovana amin’ny klioba mifaninana eny anivon’ny ligy sy ny federasionina. Matihanina ny fikarakarana satria ireo mpitsara efa feno traikefa no hitantana ireo lalao hatao.
Any amin’ny volana septambra indray, hitohy amin’ny “Webinar” ny hetsika, izay misokatra ho an’ny besinimaro ka ny lohahevitra amin’izany dia ny mahakasika ny fanamby amin’ny resaka maha olona, amin’izao fotoana izao. Ny alim-pandihizana no hamaranana ny fankalazana, ny 6 novambra 2026.

Fitia Randria

Partager sur: