Fandraharahana : Fanoitra mampivoatra orinasa ny fandraisana andraikitra RSE

Rafitra iray miantoka ny fampivoarana sy ny fampiroboroboana ny orinasa ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iainana (RSE). Nivoitra izany nandritra ny fanokafana ny « Salon RSE et IDD », andiany faha-10, tetsy amin’ ny Novotel Alarobia.

«Tao anatin’ny 10 taona nisian’ny RSE, maherin’ny 80% ireo orinasa nampiditra izany ho anisan’ireo paikadim-pitantanany. Maro ireo orinasa nahita mpiara-miombon’antoka afaka manohana ny tetikasany », hoy ny tale mpanorina ny Innoveo sady mpikarakara ny hetsika, Rabefitiavana Urlichia. Mitondra tombontsoa maro amin’ny orinasa ny fanatanterahana ny RSE. Mian­toka fahavitrihana sy fahazotoana ho an’ny mpiasa ny fepetra ara-drariny sy tsara omena azy. Vokany, mitombo ny famokarany ka mampivoatra ny orinasa, raha ny fanazavany hatrany. Ankilany, anisan’ireo masontsivana apetraky ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ankehitriny, ny fanatanterahana ny RSE. Antoka ho an’ny fahazoana famatsiam-bola sy tohana maro samihafa izany. Mitombo amin’izao ireo orinasa manao RSE raha nifantoka tamin’ny fanomezana sy fanaovana asa fotsiny izany teo aloha. Lasa fomba fiasa vaovao izany hitsinjovana ny tontolo iainana izay mbola miankindoha amin’ireo loharanon-karena natoraly.

Sehatra vaovao
Marika hamantarana ny fijoroan’ny orinasa amina toerana iray ny RSE izay mipaka mivantana any amin’ny mponina. « Ilaina ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy. Mandray anjara betsaka amin’izany ireo orinasa eto an-toerana », hoy ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina, tamin’ny lahateniny. Notohizany fa manohana ny fampivoarana ny fandraharahana sy ny RSE ny fanjakana, hampivoarana ny toekarem-pirenena. Mamorona asa sy mitondra sanda ara-toekarena ny sehatra tsy miankina. Mandrisika ny orinasa rehetra hanao ny RSE ao anatin’ny fitantanany ny minisitra. Tanjona ny hananana orinasa tomponandraikitra, matanjaka ary maharitra ho fototry ny fampandosoana ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: