« Manana andraikitra tokony horaisina ny tsirairay amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy hetsika mampandroso ny manodidina », hoy ny tomponandraikitry ny fifandraisana sy ny RSE ao amin’ny vondrona Imperial Brands Madagascar, Rabearisoa Malalatiana. Mampivoatra sy mampandroso ny manodidina sy ireo mpiasa ny tetikasa. Zava-dehibe ihany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny samy orinasa mba hifanakalo fahaiza-manao, hiantraika bebe kokoa amin’ny manodidina. Anisan’ ireo tetikasa lehibe nataon’ny vondrona ny tetikasa Madagasikarantsika, iarahany amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd). Valanjavaboary mirefy 120 ha ao amin’ny faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania no napetraka. Nomena endrik’i Madagasikara izany ka ahitana hazo karazany 3 dia ny hazo haingam-paniry, ny hazo zanatany ary ny hazo fihinam-boa, raha ny fanazavana hatrany.
Tombontsoa
Mandray andraikitra amin’ ny fanamaitsoana ny tontolo iainana sy mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny toekaren’ny mponina ny tetikasa. Tsara ny vokatra ho an’ny ao Vakinankaratra. Mipoitra manodidina ny valanjavaboary ireo renirano, niakatra indroa isan-taona ny vary tany an-toerana, tao anatin’ny roa taona. Miverina ihany koa ireo vokatra hafa. Manomboka miompy tantetly ny olona. Hita mivaingana ny fiantraikan’ny tetikasa eo amin’ny mponina sy eo amin’ny toekarena.
Henintsoa




