Manohana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny federasionin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny CCI izy. Miantoka ihany koa ny fampandrosoana ireo seha-pihariana samihafa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tohanany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hiarovana ny tombontsoa ara-toekaren’ireo mpandraharaha madinika any amin’ny faritra.
Tafapetraka ny paikady nasionaly ho fampandrosoana ny sehatry ny nahandro sakafo amin’ny angovo madio. Fantatra ihany koa ny fandaharanasa nasionaly mankany amin’ny fampiasana fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio. Tanjona ny hanatsara ny fahasalaman’ny mponina, hiarovana ny ala tsy ny tontolo iainana. Eo koa ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ka hanovana ny fahazarana ka hampiasa ireo teknolojia isan-karazany.
Vidiana 10 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ho an’ny taom-piotazana 2025, araka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Vidiny izay mihatra ho an’ireo vokatra mirefy mihoatra ny 13 santimetatra. 5 000 Ar kosa izany ho an’ireo latsaky ny refy voalaza etsy ambony. Niteraka fahasorenana ho an’ireo tantsaha mpamokatra ny vidin’ireto vokatra ireto. Ao ireo milaza fa ambany izany raha oharina tamin’ny fandaniana sy ny ezaka amin’ny famokarana. Na izany aza, manarina hatrany ity sehatra ity ny fanjakana. Ampy ihany koa, hoy izy ireo ny fahamasahan’ny lavanila hita eny an-tsena.




