Hisy ny velakevitra manodidina ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Hotontosaina anio, amin’ny 10 ora maraina izany, eny amin’ny AFT Andavamamba. Ny marimarina kokoa, ny tantaran’ny mpanjaka, araka ireo sary voarakitra, izay ny ankamaroany fony izy tany an-tsesitany. Hamelabelatra izany i Helianta Rajaonarison, mpampianatra mpikaroka tantara eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo.
« Cabaret » hanehoana firaisankina, iarahana amin’i Samoëla. Anio manomboka amin’ny 8 ora alina izany, ao amin’ny Food Court La City Ivandry. Fanohanana ny hetsika « Manjakely », izay natao hanangonam-bola hanampiana ireo reny sy zaza sahirana any amin’ny faritra Ambatondrazaka izy ity. Na izany aza, tafiditra anatin’ireo andian-tseho anaty fandaharam-potoan’i Samoëla ihany koa.
« Soratra velo-maharitra, sa soratra velona mandrakizay ? » Io ny lohahevitry ny adihevitra literera, hatao ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny alarobia 8 jolay izao. Hitarika izany i Sy, Mpanabe an-tserasera, mpanao gazety ary mpanoratra. Eo koa i Liantsoa, poeta mpanoratra avy ao amin’ ny Faribolana Sandratra.




