Fimpima Antsirabe: Namoaka ny andiany « Loharano »

358 mianadahy ny andiany Loharano navoaka tamin’ity fotoana ity ary 89 ireo noraisina ho mpikambana raikitra. Hanatevina ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy na ny Fimpima, faritany Antsirabe, izy ireo. Natomboka tamin’ny diabe niainga teo amin’ny tranompokonolona Antsenakely, namakivaky ny tanàna ary nifarana teo anoloan’ny tsangambato no nanamarihana ny famoahana ny andiany Loha­rano. Ireo mpianatra ireo izay niofana nandritra ny valo volana ary afaka tamin’ny fanadinanana am-bava sy an-tsoratra izay natao tamin’ny volana mey sy ny fiandohan’ny volana jona ka izao nosalorana ny lamban’andiany amin’ny maha mpikabary azy ireo izao sy nanolorana ny mari-pahaizana avy amin’ny Fimpima foibe.
Sampana 9 any amin’ny faritany Antsirabe ireto navoaka ireto, miandahy miambavy, manomboka amin’ny taninketsa ka hatramin’ny mpiofana. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nandraisana ho mpikambana raikitra ka nanasalorana ny lamba Fimpima azy ireo. “Midika izany fa velona sy miaina ary mahaliana ny maro ny fianarana kabary, indrindra ny fanandratana ny soatoavina sy ny kolontsaina maha Malagasy”, hoy ny filohan’ny faritany Fimpima Antsirabe, Hary Ranaivozandriny. Han­dray anjara mavitrika amin’ny sahoby hatao ao Antana­narivo sy ny zaikabe hatao any Mahajanga, ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao, ny faritany Fimpima Antsirabe.

Zo ny Aina

Partager sur: